Toekarena

Soavinandriana Itasy Fianakaviana 300 mahery no ahiana ho very fivelomana


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Hitrangana ady tany goavana any Soavinandriana, Faritra Itasy amin’izao fotoana izao. Fianakaviana 300 mahery mivelona amina tany 569 ha mantsy no ahiana ho very asa fivelomana.

 

 Raha araka ny fanazavan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly dia efa tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany  ny razam-ben’izy ireo no nanajary io tanibe  io izay nomarihiny  manokana fa tany  volkanika tena  mamokatra tokoa. Niezaka ny nikarakara izany tany izany izy ireo mandraka ankehitriny no sady efa nangataka izany  tamin’ny fanjakana ihany koa. Ankehitriny anefa  dia velon-taraina izy ireo fa misy Ministra iray teo aloha mikasa ny hanala azy amin’io tany io  no sady ato ho ato fa tsy afaka miandry. Raha sanatria ka tanteraka izany hoy hatrany ity solontenan’ny mponina avy any Soavinandriana ity dia  mponina an’arivony no ho very asa tanteraka ka tsy hisy hianatra intsony hatramin’ny mpianatra. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia katsaka no volen’izy ireo amin’io tany 569 ha io ankehitriny. Hisy ny fitondrany ny raharaha fanin-droany eo anivon’ny Fitsarana taorian’ny efa niakaran’izany voalohany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT