Toekarena

Soaniedanana PK 67 Lasa tsenabe isaky ny zoma


  • Alatsinainy 24 Jolay 2017

Na mbola any am-ponja miandry ny didim-pitsarana mahakasika azy ny 25 aogositra ho avy izao aza ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia miroborobo hatrany ny tetikasan’ny fikambanana,

indrindra fa ny fifindra-monina ao Soaniedanana PK 67, lalam-pirenena fahefatra. Raha ny fanazavan-dRazanampamonjy Jacqueline, sekreteran’ny fikambanana dia lasa tsenabe isaky ny andro zoma ao Soaniedanana amin’izao fotoana. Mitombo ihany koa ny fananganana ny trano ary samy miara-miaiky ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahefatra fa tena mandroso ny tanàna. Tsy miova ny tanjon’ny fikambanana, dia ny hiady amin’ny fahantrana mba hananan’ny tsirairay avy ny anjara masoandrony. Noderainy manokana  ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy tompon’ny tetikasa. Amin’izy ireo dia lehilahy mendrika ary sahy nijoro Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina satria dia tsy voafafa eo amin’ny tantaram-pirenena ny zava-bitany. Notsiahiavin-dRazanampamonjy Jacqueline fa anisan’ireo olona tena novolavolain’i Nadine Ramaroson ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Niady tamin’ny herisetra izy nanohitra ny tsindry hazo lena ary tsy nanao antsirambina ny sosialim-bahoaka.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT