Toekarena

Smart Center Sehatra manasongadina ny teknolojia


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Miezaka ny manavao ny tolotra omeny ireo tranobe fivarotana maro eto amintsika, ho fanatsarana ny sehatra asa misy azy, toy ny « Lai Bao Center » etsy Analakely. Ankoatra ny toerana malalaka izay mirefy 2 000 m² isaky ny ambaratongany, dia hisy koa rihana telo vao hisokatra tsy ho ela.

 « Ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra dia hisy tranobe fivarotana vaovao antsoina hoe : « Smart Center », ao anatiny izay ahitana momba ny « High tech ». Hanampiana ny daholobe amin'ny fivezivezena dia misy fidirana roa samihafa miainga avy any amin'ny araben’ny Fahaleovantena ny « Avenue de l'Indépendance»”ny iray ary mivoaka etsy ampitan'ny EPP Analakely ny faharoa", hoy ny tompon'andraikitra, ka ao ambany rihana no ahitana ireo tranoheva ho an'ny marika avolenta amin'ny teknolojia toy ny « Hisense », mpanohana ofisialy ny « Mondial 2018 ». Manamafy ny hanatsaran'ny endriky ny eto an-drenivohitra ny fanavaozana toy izao.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT