Toekarena

Siteny Randrianasoloniaiko «Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila…»


  • Zoma 26 Mey 2023

Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?

Mbola tsy nisy tamin’ny tantaran’i Madagasikara angamba izany vidina lavanila 20.000 Ariary izany. Henonay ny hetahetanareo. Na zaza 15 taona aza mahay ny famahana ny olan’ny lavanilina. Tafasaraka tanteraka amin’ny tena filam-bahoaka izao fitondrana izao. Tafasaraka tanteraka amin’ny resaka tohadrano. Tsy fantatr’izao fitondrana izao fa mpamboly sy mpiompy ny 80%-n’ny malagasy. Maninona no tsy anamboaranao tohadrano. Maninona no tsy nisy kere taloha tany Androy? Lalan-tokana ihany no hahafahantsika manavotra an’i Madagasikara dia ny firaisan-tsaina hametraka ny atao hoe fitsinjaram-pahefana. Tsy ambadikako i Mamy Ravatomanga ary tsy manohana ahy koa izy. Tsy nandray vola taminy aho. Rehefa mandeha ny lavanila, tsy ilaina ny tosika fameno. Tsy tokony olona tsy mahay mamboly lavanilina no mitantana ny fikarakarana izany. Ny talen’ny kabinetran’ny filoha tsy mbola nahafantatra lavanilina sy fijaliana ve no atao mitantana izany? Amin’izao ny filoha dia manome «riz cantonais». Tsy midika fahasambarana izany. Mizara moto ho an’ny ben’ny tanàna dia lazaina fa iny no fitsinjaram-pahefana. Ity no fitondrana tena namotika ny lavanila tao anatin’ny 60 taona, hoy hatrany ity mpitarika ny Mihava Tour ity. Nanampy izany moa ny depioten’i Vohemar, Edizar, ary nilaza fa tsy manaja fomba tany ity fitondrana ity ary manao tsinontsinona ny olobe. Manangana sy mitokana fotodrafitrasa amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany ary tsy manohana izao fitondrana mampijaly vahoaka loatra izao intsony izahay, hoy ihany izy nandritry ny Mihava tour tao Ampanefena.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT