Mbola marefo ny fiarovana ny sisintanin’i Madagasikara ary ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny amin’izany hoy ny firenena Japoney sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho amin’ny Fifindra-monina (OIM).
Manohana ny fahatrarana ny tanjona izy ireo satria miantoka ny fampandrosoana ara-toekarena mihitsy ny fahaiza-miaro ny sisin-dranomasina sy ny any amin’ny toby fiantsonan’ny sambo rehetra any. Misy hatrany amin’ny 5000 km ny morontsirak’i Madagasikara ary tena anjakan’ny fifanakalozana tsy ara-dalàna ny eny an-dranomasina sy eny amin’ny seranan-tsambo araka ny fanambarana. Izany rehetra izany anefa dia mahataraiky ny fampandrosoana ara-toekarena ary ilaina ny fandraisan’andraikitra matotra. Ankoatr’izay dia mampiroborobo fatratra ny fifindra-monina tsy ara-dalàna sy ny fanondranana zava-mahadomelina ary ny fitrandrahana tsy amin’ny tokony ho izy ireo haren-dranomasina ny tsy fahaizana miaro ny sisintany. Misy ny tetikasa maharitra 9 volana iarahan’ny OIM sy ny fadin-tseranana Malagasy izay vatsian’ny Japon vola hanomezana alika mahalala baiko hiarovana ny sisintany. Efa vinan’ny fadin-tseranana rahateo ny fanamafisana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina eny Ivato sy Nosy Be ary ny seranan-tsambon’i Toamasina ka ity tetikasa ity dia mifandray lalana amin’izany. Ho maro ny tombony ara-toekarena azo amin’ny fiarovana ny sisintany tahaka ny fampidiram-bola mazava ny amin’ny fadin-tseranana, ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra ary indrindra ny fiarovana ireo harem-pirenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.