Toekarena

Sinoa mitrandraka vato eny Ambohidratrimo Toherin’ny fokonolona hatramin’ny farany


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Ampy izay, tsy hanaiky holembenana intsony izahay, hoy ny mponina eny an-toerana.

 

 

Manjakazaka indray ireo sinoa manao fitrandrahana “vato” ao amin’ny tanànan’ i Sarobaratra fokontany Marianona kaominina Fiadanana disitrikan’Ambohidratrimo. Hatreto, tsy nisy ny fampahafantarana nandalo ny fokontany. Ny ben’ny tanàna ihany koa tsy nanao tatitra tamin’ireo vahoaka monina eny an-toerana. Hatramin’izao, tsy fantatra mazava ny tena hotrandrahan’ireto sinoa ireto. Ny feo mandeha sy ny lazan’ny faritra dia volamena no misy ao amin’ity toerana ity. Mitaraina ny mponina amin’iny kaominina iny dia i Mahereza sy Fiadanana disitrikan’Ambohidratrimo, izay mampiasa ny lalana hitaterana ny vokatra fa potika ny lalana, tototry ny ranontany sy ny hatsanga avokoa ny tanimbary . Potika ny fambolena, toy ny voasary izay foto-piveloman’ny mponina, ankoatra ny voly hafa, ny toerana fambolen-kazon’ny sekoly any an-toerana, ny rano fisotro sotroina ahiana amin’ny loto sy ny akora simika ampiasain’izy ireo. Manginy fotsiny ny fasan-drazan’ireo olona miorina eo amin’ny toeram-pitrandrahana voazimbazimba. Nampiaka-peo, araka izany, ny mponina any an-toerana manoloana ny fitrandrahana izay toherin’izy ireo tanteraka. Nisy ny fanehoan-kevitra narahina filanjana sorabaventy nataon’ireo fokonolona an-jatony manoloana ny toeram-pitrandrahana omaly zoma. Tsy nisy tompon’andraikitra afaka namaly na nihaino ireo mponina teny an-toerana. Fanairana ny omaly. Raha ny fantatra dia hitohy hatrany ny hetsika fitakiana fampiatoana ny asa fitrandrahana ataon’ireo mponina eny an-toerana .

Nangonin’i RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT