Rehefa nahatsapa ny fahaiza-manaon’ny mpianatra Malagasy i Stilex na i Simon Lee, tompon’ny orinasa Openflex, dia nanapa-kevitra ny hanohana amin’ny alalan’ny « Université pour tous ».
Izy dia miahy ny fandrosoan’ny nomerika aty Afrika ka namorona ny rindram-baiko Openflex, izay mora ampiasaina sady tsotra. Ny « Université pour tous », izay fikambanana tsy miankina dia manana tarigetra mba hahafahan’ireo sahirana hanovo fianarana nefa tia hianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, ka nirotsaka ho mpiantoka an-tsitrapo izy, araka izany. Amin’ny hafaliana no andraisany anjara amin’ity fandaharana ity noho izy nahazo vatsim-pianarana ihany koa tamin’ny androny. Tena tsapany ny hetahetan’ireo mpianatra ireo ary vonona ny hifanome tanana izy mba handrantoan’ireo ankizy ireo fianarana ho antoky ny hoaviny. Rehefa nahita ny mangidy sy ny mamy teo amin’ny fiainana tokoa izy dia nanapa-kevitra ny hanolo-tanana toy ny natao ho azy ihany koa. Noho io vatsim-pianarana nomena azy io dia fantatra amin’ilay anarana hoe Stileex izy. Ity vatsim-pianarana atolony ity dia omena ho an’izay mpianatra mendrika ary ahafahany mianatra mandritra ny telo taona voalohany hatramin’ny “licence”. Amin’ny maha mpiahy ny fampandrosoana ara-nomerika aty Afrika an’i Simon Lee dia miara-miasa tanteraka amin’ireo orinasa madinika izy sady manampy azy ireo ihany koa amin’ny lafiny fampianarana ny teknika maro samihafa momba ny fitantanana orinasa. Raha hanorina orinasa ilay ankizy voafidy dia mbola ho eo foana ity mpiantoka azy ity hanampy. Ho an’ny mpianatra sasany, satria moa ny « Université pour tous » dia manana oniverite manokana, “Tana Premier”, hianaran’ireo ankizy ao amin’ny fikambanana, dia misy ny rindram-baiko Openflex sy ny fampanofanana momba azy omeny maimaimpoana mba ahafahany mianatra. Azo lazaina fa tsy ho diso anjara ireo mpianatra ireo satria misy ny miahy sy malala-tanana manampy azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.