Toekarena

Sidin'ny Air Madagascar Misy ny fandaminana vaovao


  • Zoma 08 Mey 2020

Manoloana ny trangana aretina mbola misy eto amin’ny firenena hatreto dia maro ny fandaminana napetraka eo amin’ireo sidina ao amin’ny Air Madagascar.

 

 

 

 

Anisan’izany ny sidina eto Madagasikara mandeha sy miverina any Frantsa, izay nalavaina hatramin’ny 15 jona ny fampiatoana raha 18 mey izany tany am-boalohany. Eo ihany koa ny sidina mankany sy avy any Kaomoro izay notapahina hatramin’ny 20 mey. Mahakasika ny any Maorisy kosa dia nanambara ny eo anivon’ny Air Madagascar fa ho tapaka hatramin’ny 1 jona 2020 ny fitaterana ana habakabaka. Ny mankany Sina moa dia mitoetra hatrany ny fampiatoana fivezivezena amin’ny sidina hatramin’ny 30 Jona ho avy izao. Tsy voakasik’ireo fepetra ireo kosa ny sidina mitatitra ireo teratany mikasa hody an-tanindrazana araka ny fangatahan’ny fitondram-panjakany (rapatriement). Mety hiova ihany koa ireo fanapahan-kevitra ireo arakaraka ny zava-misy sy ny tranga eto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT