Toekarena

Serge Zafimahova “Vao mainka hampisy olana ny fampitrosana”


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Ireo firenena any ivelany dia nanampy ny orinasa lehibe tao aminy. Mifanohitra amin'izay anefa no hita eto Madagasikara, raha ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Serge Zafimahova.

 

Ny fanjakana Malagasy hatreto dia tsy mbola nanampy ireo orinasa ireo izany mihitsy. Fampitrosana ireo mpiasa Malagasy indray no natao, hoy izy. Noho izany, ho maro amin'ireo olona ireo no tsy afaka hamerina io vola io. Vao manomboka izao ny resaka "impact " na fiantraikany ara-tsosialy sy ara-ekonomia. Mihena ihany koa ny fahefa-mividy na ny "pouvoir d'achat" satria tsy manana tahiry intsony ny fianakaviana. Na ireo nanana teo aloha aza lasa sahirana ihany koa noho ny fahalanian'ny tahiry tao anaty fihibohana. Mbola ho henjana izany ny toe-draharaha, ary ahiana ny fipoahana sosialy haterany, raha tsy mahay mandrindra sy mandamina, ary mametraka paikady mazava sy mahomby mifandraika amin’ny zava-misy ny Fanjakana ankehitriny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT