Toekarena

Serge Zafimahova Hovonoina ve ny orinasa Malagasy?


  • Talata 14 Aprily 2020

Hovonoina ve ny orinasa Malagasy. Matoa isika lahazo fanampiana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay aty amin’ny fanjakana foibe no niditra an-tsehatra dia izay hiatrehana ny fifandanjana na ny « balance de paiement » amin’ny lafiny teknika.

 

 

 

Miala tsiny amin’ny Tale jeneralin’ny hetra aho fa efa misy izany ny fanampiana efa homena hahafahanareo miatrika ny olona. Maninona ny vahoaka Malagasy kely sy ny Malagasy mpamokatra kely sahirana no terena sahady handoa hetra satria ny hetra tambatra na “impôt synthétique” sy ny hetra tamberina amin’ny vola miditra na “impôt sur le revenu » ao anatin’izany, hoy izy. Fa hamono ny orinasa Malagasy ve ny tanjon’ny fanjakana ? Ny an’ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao dia miantona daholo ny resaka hetra aloha amin’izao fotoana izao. Tsy fahaizana mitantana izany, ary famonoana ny orinasa Malagasy. Matoa misy 165,9 tapitrisa dolara nampindramin’ny FMI antsika ho an’ny « balance de paiement » dia ao anatin’izany ary efa hitan’izy ireo io resaka hetra io anisan’ny olona, ka noho izany tsy maintsy ao anatin’ny fanampiana. Izany tsy hazavaina amin’ny vahoaka, fa hatao tao ny zazakely ny Malagasy amin’ity krizy ity, hoy i Serge Zafimahova. Efa naneho ihany koa moa ny tenany fa tsy misy fangaraharahana ny fitantanana ny tohana ara-bola iraisam-pirenena izay misy ny fanomezana ary misy ny trosa, ka raha ny an’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena izay raha hatambatra dia manome 301 tapitrisa dolara eo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT