Seranantsambon’i Toamasina

Manamafy ny fitantana ara-lojistika,


  • Alarobia 12 Aogositra 2026

hanohana asa 4000-8000

Miditra amin’ny sehatra stratejika amin’ny fitantanana entana sy kaontenera ny eto Madagasikara amin’ny alalan’ny ICD (Inland Container Depot), fotodrafitrasa lojistika vaovao ao Toamasina. Raha ny antontan’isa tao anatin’ny taona 2025, kaontenera foana miisa 95 318 no voarakitra tao amin’ny seranana, ary kamiao eo anelanelan’ny 280 hatramin’ny 350 isan’andro no mandalo amin’ny lalan’ny RN2, mampitombo ny tsindry amin’ny rafitra fitaterana. Ny ICD dia natao hanamaivana izany tsindry izany amin’ny alalan’ny fanomezana sehatra vaovao ho an’ny: fitahirizana entana ao anatin’ny rafitra ladoany ; fitantanana kaontenera sy ny fivezivezeny ; fanamorana ny fikirakirana entana ; fampihenana fitohanan’ny asa ao amin’ny seranana ; fanatsarana ny rafitra lojistika. Anisan’ny mampiavaka ity fotodrafitrasa vaovao ity ny fifandraisany amin’ny lalamby, izay hanampy amin’ny fampifandraisana mivantana ny seranana, ny lalana ary ny fitaterana an-dalamby. Midika izany fa tsy toerana fitahirizana fotsiny ny ICD, fa sehatra stratejika mampifandray ny tambajotra fitaterana rehetra ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-barotra eto Madagasikara sy iraisam-pirenena. Misy ihay koa moa ny sehatra lojistika PMLP-T (Plateforme Multimodale Logistique ety Portuaire de Toamasina) izay tetikasa natao hananganana tontolo ara-toekarena iray manontolo, mioria amin’ny andry 8 (Inland Container Depot (Port Sec), Plateforme Multimodale, Zone Logistique, Zone Industrielle, Hub Logistique Numérique, Centre Énergétique, Centre de Maintenance, Services à Valeur Ajoutée) mifameno, natao hanohaana ny fampandrosoana, famoranana asa, fampiasam-bola, raha ny tatitra. Samy manana ny anjara toerany ireo andry ireo : fanamorana ny fivezivezen'ny entana, fanohanana ireo orinasa, fampivoarana ny fanondranana ary famoronana fanararaotra ara-toekarena vaovao. Mivelatra amin'ny 94,1 hektara ny tetikasa amin'ny endriny feno ary mety hanohana asa 4 000 ka hatramin'ny 8 000 eo ho eo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT