Toekarena

Seranantsambon’I Toamasina Isan’ireo mampiditra vola be indrindra


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Isan’ny mbola olana goavana ho antsika eto Madagasikara ny fampidiran-ketra sy haba, isan’ny miantoka ny fampiodinana ny raharaham-panjakana.

Hatreto, isan’ireo mbola mitana ny laharana voalohany amin’izany ny fadin-tseranana, indrindra fa ny seranantsambon’I Toamasina izay tantanin’ny SPAT (Société du Port à Gestion Autonome de Toamasina). Ny 85% amin’ny entana miditra eto Madagasikara, dia miainga ao Toamasina avokoa, izay manamafy fa mitana anjara toerana goavana ho an’ny toekarena Malagasy ny fisian’ny seranantsambo izay tantanan’ny SPAT, ary voasokajy ho orinasam-panjakana mamelona ara-bola ny Fanjakana. Raha ny antontan’isa navoakan’ny Fadin-tseranana tamin’ny volana novambra 2021, nahatratra 96% ny tahan’ny fampidiram-bola tao anatin’ny 10 volana voalohany tamin’ny taon-dasa, ka nampiditra 2462 miliara tany ho any, izany hoe manodidina ny 2500 miliara Ari izany tao anatin’ny herintaona, raha toa ka 25% kosa ho an’ny taona 2020 noho ny krizy ara-pahasalamana sy ara-toekarena niainan’izao tontolo izao. Voalaza moa, fa nanafatra Scanner miisa roa ny fadin-tseranana Malagasy nentina nanatsarana ny asa, ary efa am-perinasa nanomboka ny volana may 2022 teo, raha raisina amin’ny tetiandro nofaritana. Manafaingana ny famoahana entana io sy ny fikirakirana ara-panjakana samihafa ao amin’ny seranantsambo io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT