Seranantsambon’i Toamasina,

fitsinjovana ireo mpandraharaha


  • Talata 17 Febroary 2026

Hofoanana anatin’ny 7 andro ny saran’ny fitahirizana entana

Efa niarahana nahalala fa nandravarava ny tanànan’i Toamasina sy ny fotodrafitrasa ara-toekarena ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Nisy fahavoazana lehibe voarakitra teo amin’ny sehatra tsy miankina, ka niteraka fanelingelenana goavana tamin’ny asa sy ny varotra. Manoloana izany, nametraka fepetra manokana hanampiana ny fiverenan’ny asa ara-toekarena sy hanamaivanana ny vesatry ny mpandraharaha ny Governemanta Malagasy. Mandritra ny fito andro, hofafana ny sara fitahirizana entana na « frais de magasinage » ao amin’ny seranan’i Toamasina, na ho an’ny kaontenera na ho an’ny entana mahazatra. Ity fepetra ity dia natao hampihenana ny fandaniana sy hanampiana ny orinasa hamerina haingana ny asany. Na izany aza, ny entana voafono anaty « big bags » izay mety ho simba raha mijanona ela ao amin’ny trano fitahirizan’ny SMMC dia tsy maintsy esorina avy hatrany. Nampahatsiahivin’ny fanjakana ihany koa ny orinasa mpitatitra an-dranomasina mba hampiato ny fanangonana sara fitazonana kaontenera, na amin’ny fanafarana na amin’ny fanondranana, mandritra io fe-potoana mitovy io. Amin’ny alalan’ireo fepetra ireo, ny fanjakana dia manamafy indray ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Ny tanjona dia ny hanamora ny fiverenan’ny asa ara-toekarena, amin’ny alalan’ny firaisankina sy fiaraha-miasa, mba hahazoana antoka fa haingana sy maharitra ny fanarenana. Zava-dehibe ny fepetra ara-toekarena sy ara-tsosialy tahaka izao mba hitsinjovana ny mpandraharaha, ary tokony hisy fiantraikany ihany ko any amin’ny mpanjifa mazava ho azy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT