Nalaza tato ho ato fa misy kaontenera miisa 1500 voageja ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy fantatra mazava moa izay tena entana ao anatin’ireto kaontenera ireto.
Tsy mbola nandrenesam-peo mikasika izany rahateo ireo minisitera heverina ho tompon’andraikitra manontolo na amin’ny ampahany amin’izany. Raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpamongady entana ilaina andavanandro kosa dia tsy vary akory no voahidy ao. Mbola manodidina ny 400 ka hatramin’ny 500 ariary eo avokoa ny kapoakan’ny vary hatreto na dia teo aza ny fahatapahan-dalana vokatry ny rivodoza. 1400 ka hatramin’ny 1450 ariary ny kilao. Andrasana hamaha olana amin’ny tranga tahaka itony ny minisiteran’ny fitaterana satria dia mamono antoka ny mpandraharaha ny fijanonan’ireo kaontenera eny amin’ny seranan-tsambo. 80.000 ariary isan’andro, raha ny fampitam-baovao, no alain’ny orinasa MCTSL, izay eo ambany fitantanan’ny minisitera voalaza teo sy nampitantanana ity seranan-tsambo ity amin’ny kaontenera iray “20 pied”.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.