Toekarena

Seranan-tsambon`i Toamasina Ho lohalaharana aty amin`ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika


  • Talata 24 Aprily 2018

Napetraka omaly alatsinainy ny vato fehizoron`ny fanitarana ny seranan-tsambon` i Toamasina ary haharitra fito taona ny asa fanamboarana izany fotodrafitrasa goavana izany. Mitentina 45,214 miliara Yen japoney na 639 tapitrisa Dolara no famatsiam-bola azo amin’izany ka averina ao anatin’ny 40 taona.

0, 01% kosa ny tahan’ny zana-bola averina isan-taona. Fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro, sy ny fanjakana Japoney amin’ny alalan’ny Jica no hanamboarana sy hanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Araka ny fantatra dia ny 65%n’ny fandaniana no anjaran’ny fanjakana Japoney raha 35% no anjaran’ny fanjakana Malagasy. Tonga nametraka izany vato fehizoro izany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny ambasadaoron' i Japon monina sy miasa eto amintsika, Atoa Ogasawara Ichiro. ``Andro lehibe sy manan-tantara ho an`i Madagasikara satria foto-drafitrasa anisan`ny lehibe sy ho reharehan`ny Malagasy izao ho tanterahina izao`` hoy hatrany ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateniny. Goavana tokoa ity tetik`asa ity satria ao anatin’izany no hanitarana ny valava fiarovana (digue de protection) mirefy 345 m izay foto-drafitrasa miaro amin’ny fiakaran’ny ranomasina. Eo ihany koa ny fanitarana 470 m ny fiantsonan’ny sambo mba hahazo alalin-drano hatrany amin’ny 16 m any ho any ka ho afaka hiantsona ny sambo lehibe. Hisy ihany koa ny toerana vaovao mahatratra hatrany amin’ny 10 ha ho fametrahana ireo entana mifono anaty kontenera rehefa tonga ny sambo. 2025 vao mifarana ity tetikasa ity fa eritreretina ho afaka misitraka ny ampahany amin’izany foto-drafitrasa izany sahady ny Malagasy ny taona 2021 na 2022. Araka izany, hampitombo ny entana miditra sy mivoaka ity seranan-tsambo ity, hampihena ny fotoana lany amin`ny fandaloavan`ireo sambo ary indrindra hitombo ireo karazana sambo vaventy tafiditra eto an-toerana. Marihana fa ny 82% ny vola miditra amin`ny kitapom-bolam-panjakana dia avy amin`ny haban-tseranana avokoa. Mifanindran-dalana amin’ity fanitarana ity ny fametrahana ny tetikasa TaToM na “Projet d’Elaboration du Schéma Directeur pour l’Axe Economique AnTananarivo-Toamasina, Madagascar” izay hanavaozana ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe eto amin’ny firenena.

Tsiry sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT