Toekarena

Seranam-piaramanidin’i Nosy be Mifoha indray ny raharaha 2004


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Anisan’ny fitaratra ho an’i Madagasikara i Nosy be ary anton’izay dia noho ny hatsaran’ireo mponina sy ny fotodrafitrasa ary ny zava-misy

 

 ao aminy, hoy ny mpanao politika sady mpandraharaha ara-toekarena ao an-toerana, Joseph Yolland. Tompon’ny soso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana seranam-piaramanidina iraisampirenena ao ny tenako ny taona 2004. Natao ny seranana noho izany ka nanjary nanana seranana iraisampirenena miisa 2 isika. Ny zava-misy dia henjehin’ny fitsarana ny tenako fa nanapaka volon’olona sy nanompa olona ary namotika kolontsaina nanamboarana io seranana io. Izany hoe « destruction de culture, violence et voix de fait » no fiampangana. Tsy mbola nitana antsy aho fa ny nitady ny famatsiana hanamboarana ny seranana no nataoko. Loholona moa ny tena tamin’izany. Ny OMC tao an-toerana no nisahana ny famindrana sy fiarovana ireo vahoaka nonina teo amin’ny toerana nisy ny seranana. Nanaiky ny vahoaka ary samy nandray ny onitra sahaza azy teny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana. Mifoha ny raharaha ankehitriny ary tsy misy fampahafantarana mialoha na “prescription” avy amin’ny tribonaly akory. Tsy mampaninona ny henjehina noho ny fitiavan-tanindrazana, hoy hatrany i Joseph Yolland, ary raha te hanakatona indray ny seranana iraisampirenena ny fitondram-panjakana ankehitriny sy ny fitsarana na hampisy korontana ao Nosy be dia ho hita eo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT