Toekarena

Seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato Mahazaka mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona


  • Talata 13 Jona 2017

Hasiam-panitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Eo akaikin’ny BANI no hanatanterahana ny asa, ezahina hahazaka mpandeha hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa isan-taona, izany hoe avo telo heny amin’ny isa zakan’ny etsy Ivato amin’izao fotoana,

afaka mandray fiarakodia hatrany amin’ny 400 isa ary fiaramanidina telo indray mipetraka. Mivelatra amina velaran-tany 17.500 m² izy io, raha araka ny fantatra hisy trano fisakafoanana sy fifanakalozam-bola ary fipetrapetrahana ihany koa. Tonga nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta omaly, asa mbola haharitra telo taona. Ny Ravinala Airports  no handray an-tanana ny tetikasa miaraka amin’ny CMBI izay misy ny orinasa COLAS sy Bouygues batiment International. Mitentina 143 tapitrisa Euros kosa ny lelavola holaniana, entina hanatsarana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Nambaran’ny filoham-pirenena fa tsy mipetra-potsiny akory izy ireo satria ho an’ny tetikasa iray ity dia efa naharitra roa taona ny fanomanana azy na ara-kevitra ara-bola.  Marihina fa hasiam-panavaozana tahaka izao ihany koa ny seranam-piaramanidina fascene any Nosy-Be hell ville miaraka amin’ireo seranam-piaramanidina madinika manerana ny Nosy. Mahatratra 60 izy ireo raha tsiahivina. 50 taona lasa moa izay no nananganana voalohany ny seranam-piaramanidina teny Ivato.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT