Nijery ny fandrosoan’ny fanavaozana ny seranam-piaramanidin’i Toliara ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny harivan’ny talata 20 jona teo.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro miaraka amin’ny ADEMA ny fanavaozana ity seranam-piara-manidina ity ho seranana iraisam-pirenena, ka ny taona 2018 no tombanana hahavitan’ny asa tanteraka. Tanjona ny hampitombo ny tahan’ny fizahantany amin’iny faritra Atsimo iny ary hanafaingana kokoa ny sidina mampifandray amin’ny firenena hafa toa an’i Afrika atsimo. Seranam-piaramanidina lehibe indrindra fahatelo eto Madagasikara aorian’Ivato (12.000 m²) sy Mahajanga (3.100 m²) i Toliara. Mahatratra 3.022 m², ary ahitana fotodrafitrasa azo handraisana fiaramanidina Boeing 737 roa miara-miditra. Tany amin’ny taona 2016, dia mpandeha 60 000 no zakan’ny seranana, ary aorian’ny fanitarana sy ny fanajariana dia afaka handray olona 250 000. Nohatsaraina ihany koa ny jiro sy ny fitaovana hahafahana mifehy ny hafanana na “climatiseurs” mba hanaraka ny fenitra, indrindra fa eo amin’ny fiaingana sy fahatongavan’ny fiaramanidina. Tanjon’ny minisiteran’ny fitaterana ihany koa ny hampitombo “piste d’atterissage” hatrany amin’ny 2 600 m mba hahafahana mandray fiaramanidina goavam-be. Ho lasa seranam-piaramanidina goavana sy fiandry i Toliara, ka manodidina ny 741 tapitrisa ariary ny tentim-bidin’ny tetikasa. Mikasika ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Air Madagascar sy ny kaompania Air Austral kosa dia mihevitra ny tokony hisian’ny sidina mivantana La Réunion-Tolagnaro ary Toliara ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nilaza ity farany fa mila fitiavan-tanindrazana sy firaisankina avy amin’ny vahoaka ny tetikasa goavana toy izao. Mila hamafisina ihany koa ny fifampatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka mba hahafahana manoratra pejy vaovao eo amin’ny tantaram-pirenena. Sahy miteny ve ingahy Hery Rajaonarimampianina fa tantara tsara no nosoratany sy ny HVM nandritra ny nitondrany ny firenena ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.