Toekarena

Seranam-piaramanidina Ravinala Airports Ivato Hotokanana amin’izay ny « Terminal » vaovao ?


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Nifandamina amin’ny Consortium Français Ravinala Airports ny Fanjakana Rajoelina taorian’ny fifanolanana nandritra ny roa taona, raha ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao vahiny iray. Ity orinasa ity izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be

, izay tafiditra anatin’ny fifanarahana amin’ny ADP (Aéroport de Paris teo aloha) sy ny Fonds Meridiam. Tao anatin’ny roa taona, dia nahemotry ny Fanjakana hatrany ny fitokanana ny “Terminal” vaovao ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, izay mety hotokanana amin’izay ato ho ato, raha ny voalazan’io fampahalamam-baovao io. Ny Bouygues sy ny Colas moa no nanao ny fanamboarana. Voalaza fa heverina ho avy hanatrika izany ny Filoha Tale Jeneralin’ny Meridiam Thierry Déau sy minisitra Malagasy maro, ka isan’ny voatonona ny anaran’ny Minisitry ny fizahantany Joël Randriamandranto, ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto, ny minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina,… Hatreto voasokajy ho misalasala amin’ny fanatrehana izany ny Filoha Rajoelina satria ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina moa no angady nananana sy vy nahitana an’ity tetikasa goavana ity. Nanomboka ny jona 2021 ny fifandresen-dahatra sy ny famitranam-pihavanana teo amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny Ravinala Airports, ka tafiditra tao anatin’izany ny fitsidihana tany Frantsa nataon’ny Minisitry ny fizahantany, niaraka tamin’ny olona akaiky ny fitondrana dia ny mpandraharaha matanjaka iray manana petra-bola ao amin’ny orinasa izay miantsoroka ny fitandroana ny filaminana amin’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Nambara fa tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny rohy tamin’ny Ravinala io ihany koa ny fihaonan’ny Filoha tamin’ny mpandraharaha Frantsay maro ny aogositra 2021 teo tany Frantsa. Vinavinaina hisy ny fifanarahana, ka tombanana hiakatra ny haban-tseranana hiditra amin’ny Fanjakana, mety ho tonga amin’ny fanalefana trosa 5 tapitrisa dolara an’ny Air Madagascar,… Nanaovan’ny Parlemanta fanadihadiana moa ity raharaha Ravinala Airports ity, ka nilazana fa tsy maintsy mandoa 24euros isaky ny mpandeha miditra sy mivoaka ao anatin’ny 28 taona, izay nanaovan’ny depiote kiana mafy. Asa hanao ahoana marina ny tohiny sy ny tena ho endriky ny fifanarahana raha hisy tokoa ny fanavaozana?
(Tahirin-tsary)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT