Toekarena

Seranam-piaramanidina manerana ny nosy Hosokafana ho an`ny sehatra tsy miankina


  • Zoma 17 Janoary 2020

Ny taona 2015 no nafindra tamin`ny orinasa ADEMA ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina miisa 44 manerana ny nosy.

 

Maro anefa ny tsy fahombiazana teo amin`ny fomba fitantanana ary tsy nisy lalam-bola nampiasaina hikarakarana sy hampiasana azy ireo. Ny fisokafany dia vavahady lehibe amin`ny tontolo ara-toekarena sy fizahantany. Vokany, niroso amin`ny fomba fiasa vaovao ny fanjakana. Nosokafan`ny fanjakana amin`ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina 44 eny amin`ny faritra izay notantanin`ny ADEMA teo aloha. 24 amin`ireo mpandraharaha no namaly ny antso saingy 8 aloha no nanasonia fifanaraham-pitantanana omaly. Hosokafana sy hasiam-panavaozana ireo seranam-piaramanidina rehetra manerana ny nosy, hoy i Joel Randriamandranto, minisitry ny fitaterana sy fizahantany ary ny famantarana ny toetry ny andro. Amin`izao fiandohan`izao dia mbola hanome fanampiana (subvention) ho an`ireo seranam-piaramanidina ireo ny ADEMA ary  hihena tsikelikely izany rehefa mizaka tena ireo seranam-piaramanidina. Marihina hatreto fa mbola ny ADEMA no tompon`ny fotodrafitrasa. Ireo faritra izay tena manana harena eo amin`ny sehatry ny fambolena, voly  fanondrana, fizahantany no nisian’ny fifanaraham-pitantanana toa an`i Antalaha, Mananara Avaratra, Antsirabe, Maintirano ary Morombe.  Marihina fa mbola ho avy ireo mpandraharaha hafa amin`ireo seranam-piaramanidina hafa ireo. Nanamafy moa ny minisitra fa miisa 10 ireo seranam-piaramanidina lehibe ary efa betsaka ireo orinasa vaventy vonona hiara-kiasa amin`ny ADEMA mba hivelaran`ity sehatra ana habakabaka ity. Notontosaina omaly ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin`ireo mpandraharaha sy ny ADEMA tetsy amin`ny minisiteran`ny fitaterana Anosy omaly.

 

Marigny A. sy Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT