Toekarena

Sendikan’ny mpiasan’ny hetra Aza tsabahana ny volam-panjakana


  • Zoma 22 Jona 2018

Nitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiara-miasa ao amin’ny fadin-tseranana sy ny hetra.

 

 Tsy misy valiny ny fitakiana sy ny fangatahana nataon’izy ireo na dia nisy aza ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitry ny sampandraharaha mitantana ny hetra. Araka izany dia nanangana kaomisiona izy ireo hamahana ny olana ary hitohy hatrany ny hetsika mandrapavahan’ny olana. Tsiahivina fa ny tsy fanekena ary ny tokony hanesorana ny orinasa tsy miankina izay mamory sy mandray ny “droit de timbre de visa de transport” eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato no tena tsy eken’izy ireo. Tokony ho ny mpiasan’ny hetra hatrany no manatanteraka izany hoy izy ireo ary tokony hisy ny fanampahan-kevitra hanafoanana io orinasa tsy miankina io eo anivon’ny sampan-draharahan’ny hetra. Tokony ho ataon’ireo olona manatanteraka ny comptable publique ihany koa ny fikirakirana ny fitsabahana ny fitantanam-bolam-panjakana.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT