Toekarena

Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra Tsy manaiky ireo fanapahan-kevitra kitoatoa


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Manoloana ny fizirizirian’ny fanjakana sy ny tsy fahazoana fahafaham-po amin’ny fitakiana atao nandritra izay 2 volana izay dia nanova tetikady sady hanamafy hatrany ny tolona ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Hisy ny diabe anio miainga eny Ambohijatovo izay iarahana amin’ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara (SSM).

 

 Ankoatra ny fitakiana isan’andro ny amin’ny tokony hanalana ny orinasa vahiny Gasynet sy Amétis, izay lasa manao ny asan’ny mpiasa, ary ny fialan’ny minisitra tompon’andraikitra dia mbola nisy ihany koa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra izay vao mainka nahatezitra ny mpiasa. Nisy mantsy ny fiantsoana ny tompon’andraikitra mpamory hetra avy any amin’ny faritra izay ahitana receveur na talen’ny ivon-ketra na ny talem-paritry ny hetra mba hiakatra eto Antananarivo. Rehefa izay dia nikasa hanao fanambarana ara-ketra ampitain-davitra (télé-déclaration) amin’ny hetra rehetra ny foibem-pitondrana. Iaraha-mahalala anefa fa mbola maro ny faritra tsy voarakotry ny connexion ary misy mihitsy aza ireo eny amin’ny ivon-ketra any amin’ny faritra no mbola sahirana ny amin’izany ka tsy maintsy alefa aty Antananarivo hatrany ny dosie. Tsy resy lahatra ny mpiasa ary tsy hahomby  mihitsy io satria na ny enti-manan’ny foibe aza tsy ahafahana miasa 24 ora amin’ny 24, araka ny tatitr’izy ireo. Ankoatra izay, maro ny mpandoa hetra manerana ny Nosy no tsy manana fahafahana sady tsy mahalala akory ny connexion ka hiteraka fikorontanana ity fanapahan-kevitra entina hamiliana ny fitakiana ity. Efa mandray anjara amin’ny tolona moa ny mpiasa  rehetra na ny eto an-toerana na ny any amin’ny faritra na dia eo ary ny filazan’ny fitantanana ankapobeny hoe misy birao misokatra ihany araka ny tatitry ny filohan’ny sendikan’ny fadin-tseranana. Misy birao misokatra ihany saingy tsy misy mpiasa miasa mandray intsony ao, hoy ihany izy. Nanamarika moa izy ireo fa tsy mbola nisy mihitsy ny fifampiresahana na fidinana ifotony nataon’ny minisitra tompon’andraikitra fa mainka fireharehana no nataony tamin’ny fanambarana fa nampiditra vola 20 miliara ariary ny fadin-tseranana na dia nisy aza ny grevy.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT