Toekarena

Sendikan’ny indostria eto Madagasikara “Mila vahaolana haingana ny seranan-tsambon’i Toamasina”


  • Zoma 06 Aprily 2018

Mangataka ny hijerena vahaolana haingana mikasika ireo entan’ny mpandraharaha Malagasy mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara Atoa Fredy Rajaonera. misedra olana avokoa ny orinasa Malagasy, hoy izy na ho an’ireo mpanondrana entana na ho an’ireo mpanafatra.

 

  Amin’ny ankapobeny anefa dia miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny fanjakana ny 25 %-n’ny vola azon’izy ireo izay misy orinasa madinika sy salantsalany mpikambana hatrany amin’ny 80 isa. Fantatra io nandritra ny fampahafantarana ny fisian’ilay hetsika “Salon de l’Industrie de Madagascar” andiany fahefatra  hotanterahina eny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato ny 21 ka hatramin’ny 24 jona ho avy izao. Ny agence de communication “première ligne” no mpikarakara ao anatin’ilay lohahevitra hoe : Malagasy ny antsika. Tanjon’ny mpikarakara ny hanandratana avo ireo karazam-bokatra vokarin’ny orinasa Malagasy sady hahafahan’izy ireo mitady lalam-barotra any ivelany ihany koa.  Tsiahivina fa tranoheva an-jatony no handray anjara amin’izany izay natao indrindra mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny 26 jona ho avy izao mba hahafahan’ny rehetra miantsena sy mamalifaly ny ankohonany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT