Toekarena

Sehatry tsy miankina Avela hiady irery


  • Talata 19 Mey 2020

Mitohy 15 andro ny fahamehana ara-pahasalamana, izany hoe mitohy ny fihibohana tapak'andro. Samy niandry ny fepetra ho an` ny sosialim-bahoaka moa ny olom-pirenena nandritra ny kabarin`ny filoham-pirenena ny alahady lasa teo saingy indrisy.

 

 

 

Tsy lavina fa miatrika ady ara-pahasalamana isika. Mandripaka ain` olona amanaliny aza saingy miantraika mivantana amin` ny toekarena sy ny sosilay ny fepetra tsy fahazoana mivoaka ny trano, raisin` ny firenena. Mikatona avokoa ny orinasa, tsy misy ifandraisany amin` ny lafiny sakafo sy ny zavatra tena ilain` ny mponina andavandro. Vokany, maro ny tsy an` asa ary miantraika any amin` ny fiainan-pirenena sy ny fiainam-panjakana satria tsy mihodina ny vola, tsy miditra ny hetra, sns… Raha ny tatitra nataon` ny Sendika Kristianina Malagasy hoe “very asa ny ampahatelon` ireo mpiasa indrindra amin` ny tsy miankina”. Nanamafy kosa ny ao amin` ny sampana mpanara-maso ny mpiasa fa “mety efa mihoatra an` io ny tarehimarika satria misy fidinana ifotony hatrany ataon-dry zareo”. Iarahana mahatsapa ny fahasahiranan mavaivay mihatra amin` ny sehatra tsy miankina. Saika sahirana amin` ny fanarenana ny orinasany ireo mpampiasa. Mety tsy ho tafarina ny fandoavana ny karaman` ireo mpiasa raha tsy misy fepetra raisin` ny governemanta. “Efa nisy tohana 40 miliara ariary no nalefa tany amin`ny sehatra tsy miankina, izay ampaham-bola azo tamin` ny fanampiana avy amin` ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay nitentina 166 tapitrisa dolara” hoy ny CREM na ny farimbolan` ireo mpahay toekarena saingy ny banky indray no mahazo tombony. Raha tsiahivina, nanokana 37 miliara euros ny Vondrona Eoropeanina hanampiana ny fanjakana miisa 27 mpikambana ao aminy. Fepetra napetraky ny fanjakana any amin` ireo firenena mandroso ireo ny fanalana mpiasa amin` ny ampahany. Eto Madagasikara, nahemotra fotsiny ny fandoavan-ketra ho an` ireo orinasa. Tsy midika izany hoe foanana. Toa avelan` ny fanjakana miady irery ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra tsy ara-dalàna. Andrasana amin` ny fitondram-panjakana ny paikady hahafahana manarina ny zava-misy iainan` ireo mpiasa sy orinasa amin` izao fotoana izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT