Toekarena

Sehatry ny vato sarobidy Hetsika goavana no tanterahana eny amin’ny MBC Ivato


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Voalohany eto Madagasikara ny fisiana hetsika lehibe momba ny vato sarobidy dia ny Salon des gemmes et des bijoux. Nanomboka omaly eny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato izy io ary hifarana amin’ny sabotsy 27 oktobra izao.

 

 

 

 

 

 Tanjona amin’ity hetsika izay karakarain’ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM)  sy ny Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM) ity ny fampahafantarana ny sehatry ny harena ankibon’ny tany Malagasy ho an’ny mpisehatra sy ny mpandraharaha ary ny olon-drehetra na ny eto an-toerana io na ny any ivelany. Zava-dehibe ity hetsika ity, hoy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny solitany Henry Rabary Njaka. Natokana ho an’ireo matihanina amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ilay hahafahana mampiranty sady mivarotra ny vokatra ihany koa. I Madagasikara rahateo, dia anisan’ireo firenena manana vato sarobidy tena tsara kalitao maneran-tany. Ho an’ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao izay nanatrika ny lanonana omaly kosa dia nanipika fa mila fandrindrana ny fitrandrahana ny harena tahaka izao izay tsy azo havaozina intsony. Ilaina ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny vahiny, hoy izy fa tsy maintsy misy kosa ny fifanakalozana traikefa sy fampitana ny fahaiza-manao. Mazava ho azy tsy maintsy atao ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana, ny lalàna ny asa ary niantso ireo mpandraharaha amin’io sehatra io ny tenany mba hiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT