Toekarena

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Hahazo birao vaovao ny BAM Bongolava


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Voapetraka ny faran` ny herinandro lasa teo ny vatofototry ny biraom-pitantanan-draharahan'ny harena an-kibon'ny tany na "Bureau d'Administration Minière" (BAM) any Tsiroanomandidy.

 

 

 

 Nanatontosa izany tao amin’ny Kaominina Morafeno Fihaonana ny delegasiona notarihan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra. Nambarany fa manakaiky vahoaka ny fanjakana ka tsy hisy distrika ho adino intsony amin'ny fampandrosoana rehetra izay hatao eto Madagasikara. Samy hahazo tombontsoa amin’izao BAM vaovao izao ireo distrika Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, izay mandrafitra ny Faritra Bongolava, ary ireo kaominina 16 manodidina, izay samy ahitana harena an-kibon’ny tany toy ny vatosoa sy vato sarobidy ary koa volamena. Ankoatra ny fanatsarana sy fanaraha-maso bebe kokoa ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany dia hanala fahasahiranana ireo mpandraharaha amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina ara-panjakana izao birao ifotony izao. Hahafahana mizara izay tsara ho fantatra momba ny seha-pihariana harena an-kibon'ny tany amin'ireo izay liana amin'izany koa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT