Toekarena

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Afera sy bizina no mahamaika ny mpitondra…


  • Talata 22 Aogositra 2023

Saika tany alohan’ny 2009 avokoa no nanaovana ny fifanarahan’ireo orinasa goavana 2 lehibe eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika.

Tsy dia nisy ny orinasa goavana iraisam-pirenena nanao fampiasam-bola goavana amina miliara dolara tonga teto tao anatin’ny tetezamita, ary raha nisy orinasa aza dia tena niteraka resabe tahaka ny fitrandrahana vy niarahana tamin’ny sinoa dia ny Wisco tany Soalala, izay efa nilazan’ny mpahaitoekarena iray, fa 200 tapitrisa dolara ny tambiny, saingy 100 tapitrisa dolara ihany no nanaovana fanambarana mazava. Inona no tamberiny nentiny eo amin’ilay toerana nanaovana ny fitrandrahana sy ny firenena? Midika fa tsy atokisana ireo mpitantana, ny bizina no toa mahamaika, ka io nirefotra io izao ny raharaha fitakiam-bola be 225 000 livre sterling sy fiadiana ny hanana petra-bola 5% amin’ny fitrandrahana orinasa Britanika nahasaringotra ny Tale kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Andrianarison. Manome endrika ratsy ny tontolon’ny fampiasam-bola vahiny sy fandraharahana eto ireny hoe: tsy maintsy manao kolikoly amin’ny mpitondra ambony izany vao mahazo fahazoan-dàlana? Ny harena eto tsy voafehy, gaboraraka, manjaka ny trafika, ny orinasa lehibe efa mampiasa olona an’hetsiny toa tsy dia hay loatra ny mikolokolo ny fiaraha-miasa aminy noho ny don-tandroka, ny tokony ho avy mety mihemotra,… Mety misy ny lesoka azo hatsaraina fa isan’ny manome aina ny fifandanjana ara-barotra eo amin’ny vola miditra sy mivoaka ny firenena na ny “balance commerciale” aloha izao raha mandray ohatra an’Ambatovy sy ny QMM, amin’ny fanomezana aina ny toekarena, ary raha tafakatra 5 na 6 ny tahaka ireo mety milamina I Madagasikara, fa mila mazava sy anatin’ny Fanjakana tsara tantana. Ilay any Toamasina izao dia voalaza fa mahatratra 400 ireo orinasa madinika miara-miasa aminy aminy, tahaka izany ihany koa ny tantsaha mpamboly, manodidina ny 4000 ny mpiasa mivantana mivelona ao aminy,… izany hoe: olona an’hetsiny no miankina aminy, ka mahavita izany ve ny Fanjakana? Misy ny karazan-ketra manodidina ny 40, saingy voizina any amin’ilay resaka 1% hatrany. Tahaka izany ihany koa ilay any Taolagnaro izay saika isan-taona toa tratry ny olana hatrany sy fitakiana. Vao farany teo nohavaozina ny fifanarahana tahaka ny fanafoanana ny trosan’ny Fanjakana mitentina 77.2 tapitrisa dolara. Mba tsara tantana ve io sa lanilany fahatany? Handoa vola 12 tapitrisa dolara amin'ny fanjakana ny amin'ity 2023 ity ho fizarana tombom-barotra mialoha (Paiement de dividende anticipée); mandoa vola 8 tapitrisa dolara ho fanampiana amin'ny fanamboarana ny RN13 (109Km), niantoka ny herinaratra hatrizay, hakarina ho 4 tapitrisa dolara ny vola tsy maintsy hampiasainy amin'ny sosialy ary hasiana fiakarany 2% isan-taona, 13 tapitrisa dolara no vola tsy maintsy hatokana ho fikirakirana ny rano maloto hateraky ny fitrandrahana, asaina mametraka foibe famokarana angovo azo havaozina mitentina 50 tapitrisa dolara anatin'ny 5 taona,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT