Toekarena

Sehatry ny harena an-kibon’ny tany Afaka mitondra tombotsoa betsaka amin’ny toekarena


  • Sabotsy 14 Aprily 2018

Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Mining Business Center Mamory Ivato ny fampiratiana andiany faharoa momban’ny harena an-kibon’ny tany, solitany ary ny fitaovana enti-mitrandraka izay nokarakarain’ny Media Consulting.

 

Tanjona ny fampihaonana sy ny fampiseraserana ireo mpiantsehatra dia ny mpandraharaha, ny fanjakana ary indrindra ireo mpamatsy vola. Ireo sehatra ireo dia kely ihany no entiny amin’ny harinkarena faobe kanefa tokony hanatsara sy hitondra be amin’ny toekarena Malagasy.  Tranoeva 60 no manao fampiratiana ary maimaimpoana ny fitsidihana hoy i Bodo Andriamasinoro tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny Media Consulting. Ankoatr’izay dia nanamafy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa mbola miteraka olana hatrany ny fanomezan-dalana nomena amin’ny fitrandrahana. Maro amin’izy ireo no tazomin’ny olona fotsiny ary tsy ampiasainy akory fa itadiavany mpividy hakana tombony. Ankoatr’izay moa dia nanamarika ny tenany ny amin’ny tetikasa Toliara Sands izay tokony hisy fanantenana be ho an’ny Malagasy. Efa taona maro no nanaovana fikarohana na tamin’ny lafiny toerana na ny tontolo iainana ary efa feno ny fepetra ka nomena fahazahoan-dalana io tetikasa io. Nanamafy ihany koa i Collin Forbes tale mpitantana momba ny tontolo iainana ao fa afaka mamokatra ilmenite amin’izay amin’ny 2021 fa efa vita ny ankamaroan’ny fikarohana ny amin’izany. Mbola hitohy hatramin’ny alahady izao moa ity hetsika ity ary inoana mba hitondra vokatra amin’ny Malagasy na amin’ny fampiofanana na amin’ny fananana asa ary indrindra ny amin’ny toekarena amin’ny ankapobeny.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT