Toekarena

Sehatry ny fizahantany Mpiasa miisa 44 000 no tandindonin-doza


  • Alarobia 06 Mey 2020

Nihaino tsara ny kabaran’ny filoham-pirenena farany teo izahay, hoy ry zareo eo anivon’ny fivondronamben’ireo mpisehatra eo anivon’ny fizahantany eto Madagasikara.

 

 

 

 

Tsy nisy resaka mihitsy ny sehatra tsy miankina fa indrindra moa fa ny sehatry ny fizahantany. Maro amin’ireo orinasa mpisehatra amin’ity farany, raha ny fanazavana, no efa nampiato ny mpiasany noho ny lafiny ara-tekinika. Tandindomin-doza, noho izany, ny ho avin’ireo olona miisa 44000 miasa eo amin’ity sehatra ity eto Madagasikara. Nanolotra soso-kevitra, noho izany, ny filankevim-pitantanana ao anatin’ity fivondronambe ity ny amin’ny mba hanaovana ho laharam-pahamehana ny fiazonana ireo mpiasa ireo. Izay aloha no tokony ho tanjona iarahana vao mijery ny fanohanana ireo orinasa sy ny fampivelarana ity sehatra ity, hoy hatrany ny antson’izy ireo amin’ny fitondram-panjakana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT