Toekarena

Sehatry ny fizahantany Ahiana hitotongana


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2017

Manahirana ho an’i Madagasikara amin’izao fotoana ny mahita mpizahatany hatrany amin’ny 300.000 isa isan-taona raha toa ka manodidina ny 1,3 tapitrisa isan-taona ireo tonga isan-taona ao Maorisy,

 hoy ny avy eo anivon’ny CTM na ilay kaonfederasionin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany eto amintsika. Antony nananganana ity kaonfederasionina ity rahateo ny faran’ny herinandro teo io toe-javatra io, raha ny fanazavana. Ny avy eo anivon’ny ofisim-paritra Analamanga na ny Ortana moa dia nilaza fa vao nanomboka nipariaka fotsiny ny aretina pesta dia nisy fihenany na tsy nahafahana nanome tarehimarika mazava aza ireo vahiny mpizahatany tonga manatona ity ofisy ity. Ny kaompania ana habakabaka Air Seychelles moa dia nampiato ny sidina mankaty  Madagasikara ny faran’ny herinandro teo mandritry ny fotoana tsy voafetra. Ny teratany vahiny mizahatany ihany koa manomboka mitombo isa ireo nisafidy toerana hafa na dia saika ho avy eto Madagasikara aza vantany vao nahoraka fa misy pesta nahafaty olona maherin’ny 30 eto araka ny vaovao navoakan’ny haino aman-jery frantsay, herinandro lasa izay.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT