Toekarena

Sehatry ny fampianarana Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena


  • Zoma 08 Febroary 2019

Rehefa miakatra ny faripahaizan’ny olona dia tokony hiakatra manaraka izay ihany koa ny faripananany.

Ho an’ny filoha mpanorina ny fikambanana Andry Fanabeazana sy Fanarenana Mirindra (AFFAMI), Ramatoa Raherisoa Vololona Victorine dia manamora ny famoronan’asa ny fianarana. Moramora kokoa ny mamorona asa ho an’ny olona nianatra noho ny tsy nahita fianarana  raha te hampandroso firenena iray, hoy izy.  Omaly alakamisy 7 febroary no nizara fanomezana fitaovam-pianarana  sy  tablie tamin’ireo mpianatra 58 karakarainy ity fikambanana AFFAMI ity. Zanak’olona sahirana eny amin’ny boriborintany faha-6 ireo zaza ireo ary  tsy mianatra any an-tsekoly noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny. Izany indrindra no antom-pisian’ity fikambanana izay efa nijoro nandritra ny 10 taona manome fampianarana maimaim-poana ho an’ny sahirana eny amin’ny boriborin-tany faha 6. Tsy vitan’izany fa misy ihany koa ny ezaka famoronana asa ho an’ny tanora ataon’izy ireo tahaka ny fanomezana fitaovam-panjairana. Tsy hiandrasana an’iza na iza ny fampandrosoana, hoy ny filohan’ny AFFAMI fa izay tia tanindrazana dia afaka mandray andraikitra avokoa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT