Toekarena

Sehatry ny asa Misongadina hatrany ireo mandalo fampiofanana


  • Zoma 21 Febroary 2020

Tena ilaina ny fampiofanana amin’ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa.

 

 Na ireo efa mpiasa aza dia mbola afaka miofana hanatsarana ny fahaiza-manao, hoy ny teo anivon’ny upsilon. Ity farany izay nanao fanadihadiana manokana ny amin’ny filàna misy eto Madagasikara ary niara-miasa amin’ny Malagasy Talent Management. Hita fa tsy ampy ny fampiofanana misy kanefa manankarena olona i Madagasikara. Araka izany dia misy ny tolotra amin’ny fampianarana ampitain-davitra (formation à distance) manampy ny tanora hitady asa sy hanamafy ny traikefan’ireo izay efa ao anatin’ny tontolon’ny asa. Nampahafantarina tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina omaly izany ary ahafahana mahazo fanamarinana (certificat) mihitsy. Misy lalan-tsaina maro azo isafidianana ka anisan’izany ny resaka fitantanana mpiasa, ny famolavolana tetikasa ary ny resaka varotra sy ny teknolojia.  Tanjona ny mba ahazoan’ireo tanora asa haingana sy mba ahafahan’izy ireo mivelatra sy mahafehy tsara ny asany manoloana ny fianarana sy ny fampiofanana noratoviny. Izay liana amin’ity tolotra ity moa dia afaka mijery ny www.upsilon.éducation, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Collège de Paris, Ouvrier De Lagarde.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT