Ny sehatry ny Angovo eto Madagasikara, dia mivoatra tokoa amin’izao fotoana
izao ary manan-karena amin’ny angovo herinara-driandrano (énergie hydro-électrique)”. Manoloana izany dia nanambara ny minisiteran` ny toekarena sy ny vola (MFB) fa hatao laharam-pahamehana ao amin'ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra taona 2021 ny fanohanana ara-teknika sy stratejika ny sehatry ny angovo. Araka ny fanazavana, ny Fanjakana dia mampiroborobo ny famokarana sy ny fitaterana ny angovo tsy azo havaozina ho fanamafisana ny fiandrianam-pirenena ara-toekarena ary hanamafisana ireo fototr' ny drafim-pampandrosoana « Emergence ». Hitohy ihany koa ny fanohanan'ny orinasam-panjakana JIRAMA, hoy hatrany ny MFB.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.