Toekarena

Sehatra tsy miankina Vahaolana matotra sy haingana no ilaina


  • Talata 02 Jona 2020

Nampanantena ny Filoham-pirenena fa handray ireo sehatra tsy miankina sy ireo sehatra hafa mifaningotra amin’ny toekarena.

 

 

 

 Tsiahivina fa efa nisy drafitra nanaovana fanadihadiana ny ho vokatry ny krizy ara-pahasalamana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Tamin’izany no efa namolavolana ny fanampiana hatao amin’ny sehatra tsy miankina ka nananganana ny drafitra fanarenana ny toekarena (plan de mitigation) izay tsy hita mazava ny tohiny hatreto. Maro be nefa ny fanadihadiana efa natao ary nisy mihitsy ny nijerevana tranga tamin’ny firenena miisa 15 handraisana lesona sy fepetra hanarenana ny toekarena. Amin’izao fihaonana hatao izao izany dia ho hita eo indray raha hisy drafitra vaovao hapetraka vokatry ny fifampiresahana mba tsy ho very an-javona tahaka ny namolavolana ny teo aloha indray ny fifampiresahana. Rehefa tsy drafitra vaovao dia hantenaina ny fanohizana sy fanatanterahana ny plan de mitigation. Hinoana fa vahaolana matotra sy haingana no ho raisina handrindrana ny toekarena izay mitotongana isan’andro indrindra ny mahakasika ny sehatra tsy miankina.

 Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT