Toekarena

Sehatra tsy miankina Nolavin'ny fanjakana ilay drafi-panampiana


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Notsipahan` ny fanjakana ny drafitra fanalefahana ny voka-dratsy nateraky ny aretina COVID-19 amin` ny sehatra tsy miankina, hoy Thierry Rajaona, filohan` ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM).

 

 Io drafitra io anefa dia nifantoka tamin` ny tohana ho an` ireo mpiasa voatery nalefa “chomage technique”, sy fahafahana mindram-bola ho an` ireo orinasa amin` ny alalan` ny atao hoe “dispositif de bonification”, hoy ihany izy. 15%n’ny orinasa mpikambana ao amin’ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) no efa mandalo fahasahiranana lalina ka voatery nanala mpiasa amin’izao fotoana izao Marihana fa mampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan` ny asa. Tsy vao izao no nisy ny fitarainana teo amin`ny sehatra tsy miankina. Raha tsiahivina, ny zoma lasa teo no nanambara ny CTM (Confederation du tourisme de Madagascar) fa efa mahatratra 1 900 miliara ariary ny fatiantok` ireo orinasa sehatra mivantana amin` ny fizahan-tany ary 800 miliara ariary ho an` ireo orinasa mifampiakina aminy. Asa fiveloman` ny Malagasy 1,5 tapitrisa no tandindomin-doza ihany koa. Hatreto aloha dia ny fanalefahana fandoavan-ketra ihany aloha no fanampiana ho an` ireo tsy miankina. Marihana anefa fa efa voakasika mafy ny toekarena ny amin’ny tsy fampidiran-ketra. Ampoizina ny akony ratsy ara-toekarena saingy mba tsy hahalatsaka lalina ny faharavana mety aterak’izay aoriana ao raha mitohy ny krizy dia tokony hojeren’ny fanjakana haingana izay fepetra hitazomana hatrany ireo mpiasa tsy ho very asa. Mila mamokatra hatrany ireo orinasa mampiasa Malagasy maro ireo mba tsy hisian’ny krizy hafa indray. Mila jeren’ny fanjakana avokoa ireo pitsopitsony rehetra mba tsy hidaraboka ny toekarena noho ny fitotonganan’ny asa eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Ny olona any ivelany efa misaina ny drafi-panarenana ny toekarena aorian'ny Covid 19, isika eto Madagasikara anefa mbola tsy mampihatra ny drafi-panohanana sy fanampiana akory, hoy ny filohan'ny GEM.

 

Tsirinasolo sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT