Sehatra tsy miankina nihaona tamin-dRajoelina

Mikolay amin’ny kolikoly, angovo, làlana,…


  • Talata 16 Aprily 2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

faran’ny herinandro teo ireo teboka miisa 5 heverin’izy ireo fa laharam-pahamehana ho an’ny sehatra tsy miankina, ka mila jerena. Maniry GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) ny hamerenenana ny tontolo ara-pandraharahana hilamina mba hampiroborobo ny sehatra tsy miankina, ny fampiharana ara-bakiteny ny Fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny sehatra rehetra arahina fanasaziana ho an’ireo mpanao hosoka. Manaraka izany ny fanarenana haingana dia haingana ireo lalàmpirenena stratejika simba, ka anisan’ny maika amin’izany ny RN2 sy ny RN7 ary ny RN4. Navoitran’ireo mpandraharaha ihany koa ny fampandehanana haingana ny tetikasa lehibe momba ny fananganana toby mpihary herinaratra dia ny tetikasa Sahofika sy Volobe, miampy ny fanavaozana mahomby ny sehatry ny angovo. Miantso ny governemanta mba hanao tan-tsoroka ho an’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanamafisana ny loharanom-bola FMFP (Fonds Malgaches de Formation Professionnelle) ihany koa ny sehatra tsy miankina, ary nampahatsiahy ny tsy maintsy hankatoavana sy hampiharan’i Madagasikara ny satan’ny CIPRES (Conférence Interafricaine de Prévoyance Sociale) amin’ny maha mpikambana feno antsika, hahafahana manamafy ny fiarovana ara-tsosialy ny mpiasa Malagasy, antoka ilaina ihany koa eo amin’ny fiahianja ara-tsosialy. Rehefa zohiana amin’ireo dia mbola marary ny sehatra tsy miankina, betsaka ny adidy tsy vitan’ny Fanjakana satria tsy mipetraka ilay antsoina hoe : « climat des affaires » milamina, izay manamafy ilay tatitry ny Heritage Foundation fa nihemotra i Madagasikara eo amin’ny fahalalahana ara-toekerana miampy ny tsy fisian’ny Fanjakana tan-dalàna; ny tontolon’ny angovo izay tsy vao izao no nampaneno lakolosy ny tsy miankina satria tena miantraika sy mamotika ny famokarana ; ny faharatsian’ny làlana izay hatramin’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina aza tsy nitsitsy nametra-panontaniana hoe : nankaiza ny volan’ny Fonds Routier ? Ny orinasa tsy miankina no isan’ny ain’ny firenena saingy tsy sasatry ny manaitra ny Fanjakana noho ireo zavatra maro tsy mety. Rehefa any amin’ny fitakiam-bola na « redressement fiscal » ve dia havanana fa rehefa any amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana dia mihisatra ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT