Toekarena

Sehatra tsy miankina Hisy drafi-panampiana avy amin` ny fanjakana


  • Talata 02 Jona 2020

Mitentina 19 miliara ariary ny fatiantoka ho an` ny Fanjakana Malagasy eo amin` ny fandoavan-ketra tokony alohan` ireo orinasa.

 

 

 

 

 Hatreto dia mbola fanalefahana hetra no fepetra noraisin` ny fanjakana ho tosika ho an` ny tsy miankina. Nilaza moa ny Filoham-pirenena fa misy akony ho an` ny kitapom-bolam-panjakana izany. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana taona 2020 rahateo dia mbola ho dinihana eny anivon` ny parlemantera amin` ity herinandro ity. Mba ahafahana manarina izany dia hametraka drafi-panampiana ny seha-pihariana ny fanjakana ho fanarenana ireo orinasa tsy miankina amin'izao krizy mandalo izao. Hisy ihany koa ny fihaonana eo amin` ny sehatry ny fizahan-tany, ny asa vaventy, PME-PMI… miaraka amin` ny filoham-pirenena mba hijerena paikady entina handrafetana drafitra marolafy vonjimaika, amin` ity herinandro ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT