Toekarena

Sehatra tsy miankina Hampikatso tanteraka ny toekarena ny fitotonganan’ny asa


  • Talata 31 Martsa 2020

Efa nisy ihany ny fitarainan’ireo fikambanan’ny Orinasa Afaka haba mahakasika ny fepetra misy ankehitriny dia ny fahamehana ara-pahasalamana.

 

 

Tamin’izany no nilazan’izy ireo fa na misy aza io fepetra io dia tokony hojerena manokana ihany koa ny mahamaika indrindra ny amin’ny lafiny sosialy sy toekarena mba tsy ho tonga any amin’ny fahaverezan’asa faobe. Efa voakasika mafy aloha ny toekarena ny amin’ny tsy fampidiran-ketra izay tsy maintsy neken’ny fanjakana ho takalon’ny tsy fisan’ny fampijanonana mpiasa avy amin’ireo vondrona orinasa maro ireo. Any Frantsa aza moa izay firenena mamokatra lavitra noho i Madagasikara dia efa hita mamaivay sahady ny akon’ny firodanan’ny sehatra tsy miankina noho ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Tsy mitsaha-mitotongana izany indrindra eo anivon’ireo orinasa mampiasa olona manao asa tanana. Hatreto dia ny 25% ny famokarana ihany no hatao ary misy akony mivantana amin’ny tsena rehetra izany. Raha ny eto Madagasikara dia efa mampanahy ny zava-misy amin’izao fotoana izao satria efa anatin’ny fahasahiranana mafy ireo orinasa afakaba tahaka ireo mivondrona ao anatin’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires). Ampoizina ny akony ratsy ara-toekarena saingy mba tsy hahalatsaka lalina ny faharavana mety aterak’izay aoriana ao raha mitohy ny krizy dia tokony hojeren’ny fanjakana haingana izay fepetra hitazomana hatrany ireo mpiasa tsy ho very asa. Mila mamokatra hatrany ireo orinasa mampiasa Malagasy maro ireo mba tsy hisian’ny krizy hafa indray na dia miafy sy reraka aza ny mpiasa ny amin’ny fandehanana tongotra. Nisy ny mety ho fanapahan-kevitra nanajanona ny fiara mpandray ireo mpiasa mba ho fitsitsiana ka eo no tokony halamina tsara mba hahazo tombony ny rehetra. Ahoana ihany koa ny mahakasika ireo akora fototra ilaina amin’izao fotoana izao? Manahoana ny tahiry sy ny fahataran’ny komandy? Mila jeren’ny fanjakana avokoa ireo pitsopitsony rehetra mba tsy hidaraboka ny toekarena noho ny fitotonganan’ny asa eny anivon’ny sehatra tsy miankina.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT