Toekarena

Sehatra tsy miankina Hahazo fanampiana 17 miliara ariary


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

150 miliara ariary ny totalim-bola nampiana ao anatin’ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR). 100 miliara ariary entina anampiana ny Jirama noho ny fatiantoka misy ao amin’ity orinasa Malagasy ity.

 

Izay lazaina ombieny ombieny moa fa be masonkarena loatra kanefa ny vidin’ny herin’aratra ambara fa kely. Ankoatr’izay dia 33 miliara ariary no natokana hanaovam-panitsiana ny karamam-panjakana. Ny ambiny kosa izany hoe ny 17 miliara Ariary no nampiteraka fanahiana indrindra ho an’ireo sehatra tsy miankina noho ny  fahenoan’izy ireo fa misy orinasa iray omena io vola be io. Ny amin’izay indrindra dia nanome fanazavana ny Governoran’ny Banky foibe,Atoa Alain Hervé Rasolofondraibe fa omena ny sehatra tsy miankina izay manondrana entana any ivelany io vola io. Nisy ny fitotonganan’ny sandam-bolan’ny Malagasy ary niteraka olana amin’ireo orinasa izay mpanondrana entana mankany ivelany izany satria dia nisy hatrany ny fatiantoka teo amin’ny fifaninanana. Efa vitan’ny ministeran’ny toekarena izany fandalinana izany ary voamarina tokoa fa mila fanampiana ireo sehatra tsy miankina manondrana entana any ivelany ireo araka ny tatitry ny governora. Misy kosa anefa ny mason-tsivana ataon’ny ministeran’ny toekarena sy ny ministeran’ny Indostria amin’ny izay orinasa omena ny fanampiana ara-bola. Ilaina hatrany ny fangaraharana amin’ny resa-bola tahaka itony satria manjavozavo amin’ny maro kanefa vola be no resahina.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT