V
Hatreto dia tsy hita mazava ny fanampiana ataon’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina anatin’ny ara-dalàna hoy ny filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Frantsa-Madagasikara (CCIFM),
André Beaumont nandritra ny tatitra natao tetsy amin’ny foibe Androhibe omaly. Raha te-hanarina haingana ny toekarena anefa dia tsy azo ihodivirana ny tohana hatao amin’ny sehatra tsy miankina ara-dalàna izay nandoa ary afaka mbola handoa hetra hahatsara ny kitapom-bolam-panjakana rahatrizay hoy izy. Maika ny fanohanana ara-bola hanavotana ireo orinasa mpikambana izay efa nanajanona mpiasa miisa 6000 hatramin’ny 7000 nandritra izay krizy ara-pahasalamana sy ny fihibohana izay. Ny antom-pisian’ny CCIFM dia hanatsara ny fifandraisana ara-barotra amin’ny orinasa frantsay sy malagasy amin’ireo sehatra rehetra misy amin’ireo orinasa mpikambana manodidina ny 400. Mampiasa olona hatrany amin’ny 36 000 izy ireo ary manahy ny mbola hanajanona mpiasa hafa ankoatran’ny 7000 efa najanona raha mbola tsy misy fandraisan’andraikitry ny fanjakana. Tsy vitan’ny fanononana fepetra fihibohana sy ny 15andro tsy an-kijanona ny toe-java-misy ankehitriny hoy izy fa mila drafitrasa mivaingana sy matotra avy amin’ny fanjakana . Raha ny tany Frantsa manokana dia efa nanatontona vola hatrany amin’ny 500 miliara Euros hanohanana ireo orinasa hoy ny fanambarana kanefa ny eto Madagasikara tsy mbola misy mihitsy ny hetsika na dia ho an’ireo sehatra voa mafy tahaka ny fizahantany sy fitaterana aza. Efa nanao izay ho afany ny orinasa tsirairay tamin’ny fepetra noraisina tahaka ny fanesorana ny « congés payés », ny fampihenana ny karama, ny tsy maintsy nanajanonana ny mpiasa sns. Andrasana araka izany ny mba vahaolana maika avy amin’ny fanjakana indrindra ny amin’izao mbola fisarahana amin’ny faritra Toamasina izao indray izay hahalalina hatrany ny krizy hoy hatrany ny fanambarana .
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.