Toekarena

Sehatra manara-dalàna Sakana ho an`ny fampandrosoana ny firenena


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

93%n` ireo sehatrasa eto Madagasikara dia voasokajy ho tsy ara-dalàna. Tanora maro no misehatra amina asa tsy ara-dalàna (emplois non déclarés).

Noho ny hasarotam-piainana sy ny tsy fahafahana miditra an-tsekoly na koa manohy fianarana ambony, ary noho ny tsy fisian` ny asa dia maro ireo tanora no mialoka amin` ny sehatra tsy ara-dalàna. Tanora manodidina 300 000 isa isan-taona no miditra amin` ny sehatry ny asa saingy 75%n` izy ireo dia ao anatin` ny sehatra tsy ara-dalàna. Sady 90% n` ireo mpiasa dia misehatra ao amin` ity farany. Marihana fa ireo antontan`isa ireo dia avy amin` ny INSTAT. Araka izany dia miha mahazo vahana eto Madagasikara ny tsy ara-dalàna. Miparitaka manerana ny nosy izany ary voakasika izany avokoa ireo sehatrasa rehetra. Mialohan` ny valanaretina Covid 19, dia 6%n` ny tahan` ny tsy fananan` asa ka raha ny zava-misy amin` izao dia efa nitombo ireo tarehimarika ireo. Noho izay tsy fisian` ny asa izay dia voatery mamorona asa ny olona. Ankoatra ireo mpivarotra amoron-dalana dia porofo iray ny fahamaroan` ireo mpivarotra amin` ny alalan` ny aterineto (Vente en ligne) indrindra amin` ny tambajotra serasera. Ny mpivarotra dia voasokajy amin`ireo mpandoa hetra tambatra (Impots synthétiques) ary mila manefa hetra mitentina 100 000 ariary isan-taona kanefa firy amin` ireo mpivarotra milaza manao vente en ligne ireo no tsy mandoa izany? Ny tsy fananana tranom-pivarotana na ivon-toerana ara-dalàna ihany koa dia manambara fa tsy manaraka ny lalànan’ny varotra ireo mpampiasa tambajotra serasera. Ny sehatra tsy ara-dalàna dia mampihisatra ny fampandrosoana ho an’ ny firenena iray. Mandringa ny toekarena satria ny ankamaroan` ireo sehatrasa dia tsy mandoa hetra, haba, tataon-ketra… hany ka miteraka fatiantoka goavana ho an` ny kitapom-bolam-panjakana. Ankoatra izay, ireo antontan-kevitra momba ny sehatra tsy ara-dalàna dia sarotra haravona satria tsy misy antontan-isa mazava. Kanefa ho an` ny firenena mahantra toa an`i Madagasikara, ny fanafoanana ny sehatra tsy ara-dalàna dia tsy manafoana ny fahantrana izay miha lalina eto amin` ny firenena. 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT