Toekarena

Sehatra iraisam-pirenana Tsy resy lahatra hamatsy vola intsony


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Votsotra ny famatsiam-bola maro noho ny afitsok’ity fitondrana ity. Tsy resy lahatra amin’ny fomba fitantanana mihitsy ny sehatra iraisam-pirenena.

Nihemotra kilasy indray aza moa i Madagasikara ny amin’ny ady amin’ny kolikoly. Very isa 2 sy toerana 10 be izao tamin’ny 2017 araka ny tatitry ny Transparency International. Ankoatr’izay hita mibaribary ny lalana zara fa vita sy petatoko atao etsy sy eroa izay mahamenatra mihitsy rehefa sendra orana. Manginy fotsiny ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaiza-manao amin’ny lafiny rehetra ataon’ny fanjakana. Noho ny tsy fahamatorana, maro ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola efa manidy ny mpaompiny. Ny sinoa efa tamana aza moa nanjary mitsoaka tsikelikely noho ny fitiavam-bola mihoapampan’ny fanjakana. Izany no mahatonga an’ity fitondrana ity hita ho tena sahirana ara-bola. Manavotr’aina amin’ny fampiakaran-ketra sy ny famehezana ny vola mivoaka toa ny tsy fanondrotan-karaman’ny mpiasa. Hany ka ny vahoaka tsy manan-tsiny no mizaka ny tsy eran’ny aina. Misondrotra avokoa ny vidin-tsolika, ny faktioran’ny jiro, ny vidim-bary ary inoana marimarina fa mbola hiakatra hatrany izany raha izao fitavozavozana sy tsy fahamatorana izao no mitohy.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT