Toekarena

Sehatra harena ankibon’ny tany Tsy misy fiantraikany ara-toekarena Malagasy hatreto


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Lazaina mandrakariva fa firenena manankarena amin’ny harena ankibon’ny tany i Madagasikara.

 

 

 

Tsy miteraka tombontsoa amin’ny vahoaka Malagasy ary tsy misy fiantraikany goavana amin’ny kitapom-bolam-panjakana mihitsy anefa ny fitrandrahana sy ny fanodranana ireny fa ireo vahiny hatrany no mahazo tombony sy manankarena. Olana hatrany ny tsy fananana ny traikefa, ny fahaiza-manao sy fanofanana, indrindra ireo hoenti-manana sy ny fitaovana maro samihafa hanatanterahana ny fitrandrahana ka ambakain’ireo vahiny fotsiny. Tombony ho amin’ny firenena hafa hatrany matetika ireo fifanarahana sy ny fiaraha-miasa atao na ny eto Afrika na amin’ireo firenena matanjaka fa zara raha mampidi-bola amin’i Madagasikara.  Ny ankabeazan’ireo Malagasy mba misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany dia tsy ara-dalàna rahateo ary tsy mandoa hetra ka tsy hita ny akony ara-toekarena. Izany ihany koa no antony mbola anjakan’ny kolikoly tanteraka amin’io sehatra io. Tamin’ny taona 2013 aza moa dia nilaza mihitsy ny avy eo amin’ny Transparency International fa very 230 tapitrisa dolara i Madagasikara tamin’ny volamena sy ireo vato sarobidy. 2 taonina ihany no volamena nanaovana fanambarana tamin’izany. Manampy trotraka ny hafetsen’ireo vahiny miditra eto amin’ny firenena izay mampiasa ny visa fizahantany kanjo miasa manao fitrandrahana kanefa tsy voara-mason’ny fanjakana akory. Tahaka ny sehatra rehetra mitotongana mila jeren’ny fanjakana dia anisan’ny tokony handraisana andraikitra haingana ihany koa ity sehatra ity izay be kolikoly kanefa tokony hampidi-bola be.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT