Toekarena

Sehatra harena ankibon’ny tany Tsy maintsy hirosoana ny fanavaozana ny lalàna


  • Zoma 17 Janoary 2020

Tsy maintsy hiroso amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany ny fanjakana, araka ny tatitry ny minisitra tompon’andraikitra, Fidiniavo Ravokatra omaly tetsy Ampandrianomby.

 

 

Tsy atao tahaka ny fitondrana teo aloha, hoy izy izay niresaka fotsiny mahakasika izany saingy tsy nisy asa tanteraka fa misy mihitsy ny fanamby ary tsy maintsy tafavoaka io fanavaozana ny lalàna io. Tanjona apetraka ny fitrandrahana mangarahara izay ahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony. Hahatongavana amin’izay dia ilaina ny lalàna hifanaraka amin’ny zava-misy marina ary zava-dehibe ny fakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra. Efa nisy ihany izany tamin’ny taon-dasa. ary tsy maintsy tohizana, hoy hatrany ny minisitra. Anjaran'ireo mpandraharaha eo amin’io sehatra io no noraisina sy nihaona tamin’ny ekipan’ny minisitera omaly. Anisan’izany ireo mpandraharaha madinika sy ireo efa voasokajy ho mpitrandraka vaventy. Tanjon’ity fihaonana ity ny hanangana vovonana handinihana ny fanavaozana hatao amin’ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany ary miainga amin’ny hevitr’ireo mpisehatra ireo no hanaovana izany. Nafana ny adihevitra ary maro ireo mpandraharaha nanatrika ny fivoriana no nangataka ny mba hosoloin-tena  handrafitra io vovonana io avokoa ny solontenan’ny mpitrandraka, ny fiarahamonim-pirenena, ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany izay mpiahy, ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny minisiteran’ny vola ary ny eo anivon’ny  sampandraharahan’ny hetra. Nanambara ihany koa ny minisitra fa aorian’ny fandraisana ireto mpandraharaha ireto, dia hisy ihany koa ny fihaonana amin’ireo fiarahamonim-pirenena. Afaka 3 herinandro eo, hoy izy no hatsangana ity vovonana ity ka tombony ho an’ny mpisehatra rehetra izany ary tsy maintsy  hipaka amin’ny toekarem-pirenena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT