Toekarena

Sehatra harena ankibon’ny tany Manome 1 hatramin’ny 5% monja amin’ny harinkarena faobe


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Ampahafantarina nanomboka ny alatsinainy eny amin’ny Mining Business Center Ivato ny harena ankibon’ny tany Malagasy.

 

 

 

Maro ny liana amin’ity hetsika ity ary hita ao daholo ny mpisehatra sy ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny any ivelany. Zara raha manome 5% amin’ny harinkarena faobe ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara na dia manome 1.5% sahady aza ny fitrandrahana any Ambatovy araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. 50 tapitrisa dolara isan-taona no vola arotsaky ny fitrandrahana ao Ambatovy tamin’ny governemanta Malagasy nandritra ny 10 taona voalohany ary hahatratra 4,5 miliara dolara izany mandritra ny 29 taona araka ny tatitra ao amin’ny www.Ambatovy.com. Tokony hitondra akony be amin’ny toekarena, araka izany, ny sehatra harena ankibon’ny tany satria ankoatra ny vola teraka dia hitondra fahatsaran’ny fiainan’ny mponina any an-toerana izany. Ilaina ny fijerena haingana ny hetahetan’ny mponina any amin’ny faritra any ny amin’ny olana mampifaningotra ka rehefa samy afa-po ny mpitrandraka sy ny mpiasa ary ny vahoaka dia hampiakatra vetivety ny fandrosoan’ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT