Toekarena

Sehatra harena an-kibon’ny tany Miasa mafy hametraka ny mangarahara


  • Zoma 21 Febroary 2020

Tsy mihemotra intsony fa miroso hatrany ny lalana mankany amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

 

 

 Nisy ny fivoriana voalohany notanterahina omaly ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny komity mitarika ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany.  Tsiahivina fa fivoriana in-telo miantaona no efa nisy nandrafetana ireo komity ireo ka ny omaly dia fihaonana voalohany tamin’ireo vondrona 5 mandrafitra izany. Anisan’ireo ny vondron’ny mpitrandraka lehibe (grandes mines), ny vondron’ny mpitrandraka eto an-toerana (opérateurs nationaux), ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena, ny vondron’ny sendika ary ny vondrona avy amin’ny fanjakana. Manana solotena 10 avy ireo vondrona ireo farafahabetsany amin’ny fandrafetana ny komity. Eo amin’izay no hanombohan’ny ady hevitra ny amin’ny hitondrana ny fanavaozana ny lalàna. Rehefa izay dia hisy ireo tolokevitra lehibe avy amin’ny isam-bondrona hodinihina. Ny vondrona tsirairay dia manana ny tombontsoa arovany ary malalaka amin’ny tolokevitra araka ny nambaran’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra. Na izany aza, hoy izy dia misy ny fefy izay tsy maintsy hijerena ireo singa 3 lehibe ao anatin’ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy. Eo ny tokony  hanasongadinana ny lafiny sosialy, ny tontolo iainana ary ny toekarena. Tsy azo atao ambanin-javitra ihany koa fa mifandray lalana amin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana madio. Tanjona apetraka amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny fitrandrahana mangarahara kanefa ahazoan’ny mpisehatra rehetra tombony ary izany no anton’izao fivoriana izao.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT