Toekarena

Sehatra harena an-kibon’ny tany Azo ianteherana aorian’ny krizy


  • Alarobia 13 Mey 2020

Nanamafy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra nandritra ny fihaonana tamin’ireo orinasa lehibe sy ireo mpandraharaha Malagasy

 

 

 

 mivelona amin’ny fitrandrahana fa isan’ny andraindraina amin’ny fampandrosoana indray ny firenena ny sehatra harena an-kibon’ny tany. Hahatrarana ny tanjona dia ilaina hoy izy ny finiavana avy amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra politika sy ny finiavana avy amin’ireo mpisehatra hanaraka hatrany ny lalàna sy lamina apetraka amin’io sehatra io. Antenaina mbola hampiharin-doha ny toekarena mandritra sy aorian’izao krizy ara-pahasalamana mantsy ny harena an-kibon’ny tany betsaka mbola ananan’i Madagasikara. Nandritra ny fihaonana naharitra 2 andro tamin’ny Minisitra sy ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany dia nisy ny fifampihainoana sy ny soso-kevitra natolotra ary ny soridalana avy amin’ny Fanjakana. Efa nisy hatrany ny fihaonana nialohan’ny valanaretina ary mbola hitohy hatrany izany ho amin’ireo mpitrandraka lehibe avy amin’ny tranoben’ny harena an-kibon’ny tany. Omaly kosa dia ny mpitrandraka avy eto an-toerana no nifampidinika mba ho fikarohana ny lalana hizorana hampivoarana ny toekarena izay nikorontana noho ny toe-draharaha misy maneran-tany. Nanambara ihany koa ny Minisitra fa ilaina ny fifanomezan-tanana sy ny firaisan-kina mba hahatongavana amin’ny fahombiazana. Noresahina omaly ihany koa ny mahakasika ireo lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny fomba ahafahana mamerina ny fahazoan-dalana mitrandraka harena an-kibon’ny tany na ny “permis minier” ary ny anjara biriky azon’ireo mpisehatra entina amin’ny fiherenan-doha eo amin’ny lafiny toekarena.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT