Toekarena

Sehatra fizahantany Tokony hampanan-karena an’i Madagasikara


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Maro ny toerana tena tsara sy manintona mpizahatany izay tsy fantatry ny Malagasy maro akory ny fisiany. Ao ireo valanjavaboary ao Ranomafana, Masoala, Andasibe. Tsy vitsy ihany koa ireo rova nitoeran’ny Mpanjaka, ny torapasika sy ireo hazo sy biby izay tsy hita afa tsy eto amintsika.

 

 

 Eto Madagasikara  ihany izao ohatra no ahitana ny Baobab sy ny maki. Raha tsy hiteny fotsiny ny rovan’Ambohimanga izay misy ny fasan’ny mpanjaka maro, ny alan’Atsinanana izay misy valan-javaboahary miisa 6, ary ny toerana tena manintona ny mpizahatany tahaka ny any amin’ny Tsingin’i Bemaraha izay anisan’ny ahafahana manao fizahantany tena avo lenta; ireo toeram-pitsangatsanganana misy trano fandraisam-bahiny tena miavaka any amoron-tsiraka, ary manana ny moron-danomasina anisan’ny tsara indrindra maneran-tany. Olana anefa ny tsy fahampian’ny fampahafantarana momba ireny toerana ireny ary na fantatra aza dia  mampihena ny mpizahatany ny faharatsian`ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana. Mbola vitsy ihany koa ny lalana vita tara (route goudronnée) ary maro ny faritra tsara tena mitoka-monina sy anjakan’ny fanakanan-dalana. Hampidi-bola be haingana ny fifotorana amin’io sehatra io raha manana finiavana ny fitondram-panjakana. Efa maro rahateo ny lokaloka sy velirano ny amin’ny fanatsarana sy fanamboaran-dalana ary ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ka miandry ny fanatanterahana ny Malagasy. Anisan`ny firenena fantatry ny mpizahatany i Madagasikara kanefa mbola vitsy no resy lahatra mankaty amintsika. Ireo firenena mitovitovy laharana tamintsika izao dia nilofo tamin’io lafiny io ary nahita fandrosoana tamin’ny ezaka natao ny raha tsy hiteny afa tsy ireo nosy rahavavy tahaka an’i Comores, la Réunion, Seychelles, Maldives ary Maurice izay nampiroborobo ny sehatra fizahantany ka nanjary nandroso. Azo trandrahana tsara, araka izany, ny sehatra fizahantany eto Madagasikara saingy mila asa be toy ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny hotely sy ny lalana ary mila azo antoka ny fandriampahalemana.

 

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT