Toekarena

Sehatra fizahantany Misy hatrany ny fanalefahana ara-ketra


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Anisan’ny notsinjovina manokana mihitsy ny sehatra fizahantany izay lasibatra tanteraka noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus.

 

 

 

 

 Nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo sehatra tsy miankina tamin’ny Alarobia 17 Jona lasa teo dia efa nisy ireo fepetra noraisina manokana ny amin’ny sehatra fizahantany. Voakasik’izany ny hotely fandraisam-bahiny, ireo « agence de voyage », ny fitaterana ana-habakabaka ary ireo orinasa indostrialy afakaba. Arak’izany dia namoaka fanambarana indray ny teo anivon’ny fitantanana ankapoben’ny hetra fa voatazona hatrany ny fanambarana natao tamin’ny faha-26 Martsa mahakasika ny hetra alaina amin’ny vola miditra izay manemotra ny fanambarana sy ny fandoavan-ketra hatramin’ny 15 Aogositra 2020. Eo ihany koa ny fanemorana ny fandoavana ny Haba alaina amin’ny tataom-bidy (TVA) sy ny hetra alaina amin’ny karama (IRSA) ary ny Impôt Synthétique amin’io daty io ihany koa. Nanamafy kosa anefa ny teo anivon’ny fiadidiana ankapoben’ny hetra fa tokony handoa hetra hatrany ireo sehatra hafa ary mila manaja ny lalanan’ny fandoavan-ketra na dia najanona tanteraka aza ny fanamarinana sy ny fanenjehana ara-ketra (recouvrement) amin’izao fotoana izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT