Toekarena

Sehatra fizahantany Hitombo ny Indiana hitsidika an’i Madagasikara


  • Zoma 21 Febroary 2020

Nanomboka ny 15 febroary lasa teo no efa teto Madagasikara ireo mpandraharaha Indiana misehatra amin’ny fizahantany.

 Tapitra anio ny fivahinianan’izy ireo eto ary efa avy nitsidika tany Toliara, Antsiranana, Toamasina, Morondava ary Taolagnaro ireo delegasiona. Mpandraharaha miisa 22 avy amin’ny Tours Opérateurs sy Agences de voyage avy any India no nanatanteraka izany fitsidihana izany ary omaly no noraisina tetsy amin’ny Hotely San Cristobal Maibahoaka Ivato izy ireo. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha Malagasy avy amina Tours Opérateurs miisa 18 sy Hotely 5 avy eto Madagasikara liana amin’ny tsena Indiana izy ireo. Nanatanteraka ny fifanakalozana sy ny tsara ho fantatra rehetra (B2B) mahakasika ny fizahantany eto an-toerana no anton’ny fihaonana. Ezaka nataon’ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany eto Madagasikara (ONTM) niarahana tamin’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka tahaka an’ny Air Madagasikara, Tsaradia, Air Austral ary Air Mauritius no nahatongavana tamin’izao dingana izao. Tamin’io omaly io ihany koa no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Ambasadaoro, Subir Dutta fa i India no firenena voafidy manokana (invite d’honneur) amin’ny hetsika fampirantiana lehibe Salon International Tourism Fair Madagascar (ITM) hotanterahina amin’ny volana jona ho avy izao. Nosokajiany ho firenena mahagaga na pays magique mihitsy i Madagasikara ary nambarany fa feno harena voajanahary mahaliana raha tsy hiteny fotsiny ny fisian’ireo lémuriens sy ny baobaba, ireo morontsiraka sy ny torapasika.  Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny oktobra no efa nisy ny fanentanana tany amin’ny renivohitr’i India miisa 4 dia i New Dehli, Mumbai, Bangalore ary Chennai ny mba hitsidihan’ny mpizahatany an’i Madagasikara. Tamin’ireo 373 mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany avy amin’ireo faritra tany India tamin’izany dia ireto 22 ireto no liana ary tonga eto amin’ny firenena. Araka ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny fizahantany (UNWTO) dia tombanana hahatratra 50 tapitrisa ny Indiana hanao fizahantany amin’ity taona 2020. Antenaina tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara satria ankoatra ny aretina Coronavirus izay tsy mampazoto mankany Sina dia hiezaka ireto mpandraharaha Indiana ireto hampahafantatra amin’ny fomba rehetra ny hakanton’ny firenena Malagasy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT